Judges 4

Ny nampahorian’ i Jabina ny Isiraely, sy ny namonjen’ i Debora mpaminanivavy azy

1Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda. 2Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan’ ny Jentilisa, no komandin’ ny miaramilany. 3Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’ Isiraely roa-polo taona izy. 4Ary Debora mpaminanivavy, vadin’ i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin’ izany andro izany. 5Ary izy nipetraka teo ambanin’ ny hazo rofian’
Palma.
i Debora, teo anelanelan’ i Rama sy Betela, tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak’ Isiraely hatsaraina.
6Ary Debora naniraka ka niantso an’ i Baraka, zanak’ i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ ny taranak’ i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao? 7Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron’ ny ony Kisona, Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Jabina, mbamin’ ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho. 8Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho. 9Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’ i Jehovah an’ i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin’ i Baraka hankany Kadesy 10Ary nantsoin’ i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy. 11Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin’ ny Kenita izay avy amin’ ny taranak’ i Hobaba, zaodahin’
Na: rafozan’
i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin’ ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan’ i Kadesy.
12Ary nisy nilaza tamin’ i Sisera fa Baraka, zanak’ i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara. 13Dia nangonin’ i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan’ ny Jentilisa, hankany amin’ ny ony Kisona. 14Ary hoy Debora tamin’ i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’ i Jehovah an’ i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara. 15Dia nampifanaritahin’ i Jehovah tamin’ ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’ i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin’ ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra. 16Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’ i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 17Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin’ ny lain’ i Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan’ i Hazora, sy ny mpianakavin’ i Hebera Kenita. 18Dia nivoaka Jaela hitsena an’ i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra. 19Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy. 20Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia. 21Dia naka tsima-day Jaela, vadin’ i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy. 22Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an’ i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’ i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ ny fihirifany. 23Dia naetrin’ Andriamanitra teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany Jabina, mpanjakan’ i Kanana. 24Ary ny tanan’ ny Zanak’ Isiraely nihahery tamin’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, mandra-pandringany azy.
Copyright information for Mg1865